tsy maty manota

Raha tena fiovàna marina no katsahana dia fepetra iray takian’izany ny fanafoanana ny kolotsain’ny tsy maty manota.  Raha ny zavatra hita sy tsapa ankehitriny dia be ireo mpandika lalàna no tsy voasazy intsony eto Madagasikara, ary maro amin’ireo didy fanasaziana no tsy mihatra akory.

Mampirongatra ny fitsaram-bahoaka

Aoka ho tsaroana fa izany no anisany mampirongatra ny kolikoly eto Madagasikara. Satria efa manenika ny fiarahamonina iray manontolo ny kolotsain’ny tsy maty manota, hatrany amin’ny fara-tampony ka hatrany amin’ny farany ambany. Tsy mahatoky ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana intsony ny vahoaka ka mirongatra ny fitsaram-bahoaka.

tsy maty manota

« Tany tan-dalàna sy ady amin’ny kolikoly »

Ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no tena ahitana raharaha maloto sy fanararaotam-pahefana fa atreto aloha tsy mbola nisy voakitikitika mihintsy. Na fanadiadiana aza tsy atao fa dia mitaza-potsiny ny fitondram-panjakana na maro aza ny fitarainana sy porofo mibaribary. Ireo tranga ireo manaporofo fa manjaka tanteraka eto Madagasikara ny tsy maty manota. Ary tsy misy afaka mandà intsony amin’izao fotoana izao, fa misy tsy maty manota tokoa ao amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratom-pitantanana eto amin’ny Firenena.

Ka raha tany tandalàna tokoa i Madagasikara dia tokony ho voafehin’ny lalàna daholo ny tsirairay na iza izy na iza izy. Ary rehefa voaporofo fa madio tokoa ilay olona dia avela izy hisitraka ny zony sy ny fahalalahany. Toy izany no nanjo an’i Mamy Ravatomanga tamin’ny taona 2016, ka nahatonga ny fisavàna ny tranony sy ny biraon’ny orinasany. Tsy nisy azo niampangàna azy moa satria tsy nisy valiny ny fikarohana natao, ka dia naverina taminy ny fananany rehetra sy ny fahalalahany.

Fitondrana mahavita manasazy sy mampihatra ny lalana

Efa maherin’ny roapolo taona izao no nitsanganan’ny Birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly, saingy tsy nahasakana ny kolikoly. Nantsagana ihany koa ny Samifin (sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola) ary hatramin’ny Pac (Fitsarana miady amin’ny kolikoly) ny taona 2018 dia tafatsangana indray ny HCJ (fitsarana avo), fa tsy nisy nahitam-bokany avokoa.

Atreto aloha dia tsy mbola hita izay tena tombotsoa azo ny vahoaka Malagasy amin’ireo sampandraharaham-panjakana ireo hatramin’izao ka tokony ho foanana izy ireo satria mandany volam-panjakana  sy fanetribe indray aza. Lasa ohatra resaka adala mihintsy ity resaka ady amin’ny kolikoly ity eto. Lasa ireo mpangalatra akoho sy mpangaro paosy ihany no mameno ny fonja. Izay tiana higadra ihany no alefa any amponja.

Raha tiana anefa ny handroso dia mila fitondrana mahavita manasazy sy mampihatra ny lalàna ho an’ireo rehetra nandika lalàna isika. Ary tsy tokony ho azo ekena intsony ny kolotsain’ny tsy maty manota fa mamotika firenena.