zoky sy zandry

Fony nahakely dia efa nampianarina isika mba hamaly hoe « eny tompoko » rehefa miresaka amin’ny ray amandreny ary maro amintsika no nampianarina hoe mila manome toerana ho an’ny zokiolona rehefa any anaty fitanteram-bahoaka ary tokony hanampy azy ireny amin’ny fotoana ilàny izany. Mihoatra lavitra noho izany anefa ny fanajana ny zokiolona, ​​ary ny fanajana dia tsy raharaha iray. Ary tahaka ny hanajan’ny zandry ny zoky dia tokony hanaja ny zokiolona koa ny tanora. Raha ny tokony ho izy izany dia tokony ifanaovana ny fifanajana na amin’ny kely na amin’ny lehibe nefa mbola maro ireo sakana mety tsy ahatanteraka izany.

Ny sakana misy eo amin’ny fifandraisana vokatry ny elanelan-taona

Na dia efa nisy foana ary ny fifanajana hatramin’izay dia mbola maro ireo fomba mety hanatsarana bebe kokoa izany. Ekena fa manenika ny fiainantsika amin’ny lafiny maro ny sotoavina fototry ny fifanajana, nefa misy hatrany ny resaka momba ny tsy fanajan’ny lehibe ny tanora.

Mety hoe tsy ny fanajana no tsy misy fa samy hafa ny fomba fanehoana izany. Eo koa ny tsy fankahazoana amin’ny fomba firesaka satria tsy mitsahatra mamorona fomba fiteny vaovao ny tanora, hany ka tsy maharaka ireo zokiolona.

Ny sakana ateraky ny fikirakirana ny teknolojia

Noho ny fisian’ny « Internet » dia lasa tsy zatra mifanatri-tava intsony ny olona rehefa miresaka, fa mora kokoa ny manoratra. Nefa ho an’ireo olona lehibe talohan’ny fampidirana ny teknolojia teto amintsika dia mora kokoa ny mifampiresaka imaso imaso na farafaharatsiny an-telefaonina.

Miaraka amin’izany ny fanfatohana amin’ny fihetsika rehefa miresaka, izay zavatra tsy asian’ny tanora dikany intsony ankehitriny nefa anisan’ny fanehoana ny fanajana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany izany.

Etsy an-daniny moa ny fanahy iniana rehefa te handoto olona, toy ny mahazo an’ingahy Mamy Ravatomanga : tsy sasatra mamorona asa sy orinasa ho an’ny Malagasy nefa dia enjehina fatratra. Hazo avo halan-drivotra marina, ary mbola maro ireo tsy maty manota

zoky sy zandry

Ahoana ny fomba hampihena ny elanelana eo amin’ny fifandraisan’ny zoky sy ny zandry ?

Mila manaiky ny tanora fa amin’ireo zokinjokiny, ny fihetsika dia miteny kokoa noho ny teny. Izany dia hita taratra amin’ny alalan’ny fitenenana mivelatra kokoa amin’ny vatana, ny fihazonanana ny fafantohan’ny sain’ny olona miresaka amintsika amin’ny alalan’ny maso ary ny fifantohana aminy ihany koa ho setrin’izany. Etsy andaniny, ny zokiolona tokony mianatra mifehy ny fomba fifandraisan’ny tanora sy ny teknolojia ary ny fihetsika mifanaraka amin’izany. 

Na dia zava-dehibe aza ny fanajantsika ny zokiolona, ​​dia zava-dehibe koa ny hanajan’izy ireo ny zandriolona. Ny ankamaroan’ny tanora dia mahatsapa fa tsy henoin-teny manoloana ireo nahazo taona. Satria ve tsy azon’ny andaniny tsara ny fomba fijerin’ny ankilany dia tsy mendrika ho henoina na asiana lanjany izany ? Tsy voatery hahazo ny resaky ny zandry anefa ireo zokiolona ireo vao afaka hanisy lanjany sy hanaja azy. Tadidio hatrany fa ny fifandraisana dia tokony hisy ezaka avy amin’ny roa tonta ary tokony hitovy hatrany ny fafanajana ifanomezana.

Samy niezaka nahatsapa ny olan’ireo taranaka nialoha azy ny taranaka tsirairay. Ampy izay ny tsy fankahazoana sy ny fifanambaniana ary tokony samy hikely soroka amin’ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fifankahazoan-dresaka eo amin’ny lehibe sy ny tanora. Amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fifanajana sy ny fifandraisana tsara eo amin’ny rehetra, dia afaka mandray lesona avy amin’ny tsirairay isika ary miara-miasa iadiana amin’ireo olana lehibe atrehin’ny taranaka tsirairay.

tsy maty manota

Raha tena fiovàna marina no katsahana dia fepetra iray takian’izany ny fanafoanana ny kolotsain’ny tsy maty manota.  Raha ny zavatra hita sy tsapa ankehitriny dia be ireo mpandika lalàna no tsy voasazy intsony eto Madagasikara, ary maro amin’ireo didy fanasaziana no tsy mihatra akory.

Mampirongatra ny fitsaram-bahoaka

Aoka ho tsaroana fa izany no anisany mampirongatra ny kolikoly eto Madagasikara. Satria efa manenika ny fiarahamonina iray manontolo ny kolotsain’ny tsy maty manota, hatrany amin’ny fara-tampony ka hatrany amin’ny farany ambany. Tsy mahatoky ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana intsony ny vahoaka ka mirongatra ny fitsaram-bahoaka.

tsy maty manota

« Tany tan-dalàna sy ady amin’ny kolikoly »

Ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no tena ahitana raharaha maloto sy fanararaotam-pahefana fa atreto aloha tsy mbola nisy voakitikitika mihintsy. Na fanadiadiana aza tsy atao fa dia mitaza-potsiny ny fitondram-panjakana na maro aza ny fitarainana sy porofo mibaribary. Ireo tranga ireo manaporofo fa manjaka tanteraka eto Madagasikara ny tsy maty manota. Ary tsy misy afaka mandà intsony amin’izao fotoana izao, fa misy tsy maty manota tokoa ao amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratom-pitantanana eto amin’ny Firenena.

Ka raha tany tandalàna tokoa i Madagasikara dia tokony ho voafehin’ny lalàna daholo ny tsirairay na iza izy na iza izy. Ary rehefa voaporofo fa madio tokoa ilay olona dia avela izy hisitraka ny zony sy ny fahalalahany. Toy izany no nanjo an’i Mamy Ravatomanga tamin’ny taona 2016, ka nahatonga ny fisavàna ny tranony sy ny biraon’ny orinasany. Tsy nisy azo niampangàna azy moa satria tsy nisy valiny ny fikarohana natao, ka dia naverina taminy ny fananany rehetra sy ny fahalalahany.

Fitondrana mahavita manasazy sy mampihatra ny lalana

Efa maherin’ny roapolo taona izao no nitsanganan’ny Birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly, saingy tsy nahasakana ny kolikoly. Nantsagana ihany koa ny Samifin (sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola) ary hatramin’ny Pac (Fitsarana miady amin’ny kolikoly) ny taona 2018 dia tafatsangana indray ny HCJ (fitsarana avo), fa tsy nisy nahitam-bokany avokoa.

Atreto aloha dia tsy mbola hita izay tena tombotsoa azo ny vahoaka Malagasy amin’ireo sampandraharaham-panjakana ireo hatramin’izao ka tokony ho foanana izy ireo satria mandany volam-panjakana  sy fanetribe indray aza. Lasa ohatra resaka adala mihintsy ity resaka ady amin’ny kolikoly ity eto. Lasa ireo mpangalatra akoho sy mpangaro paosy ihany no mameno ny fonja. Izay tiana higadra ihany no alefa any amponja.

Raha tiana anefa ny handroso dia mila fitondrana mahavita manasazy sy mampihatra ny lalàna ho an’ireo rehetra nandika lalàna isika. Ary tsy tokony ho azo ekena intsony ny kolotsain’ny tsy maty manota fa mamotika firenena.